Lonilony hatry ny ela : Naiditra am-ponja ilay zaodahy nanindron’antsy

Natolotra ny fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny raharaha mahaka­sika ny fanindronana antsy olona teny Andoharanofotsy, ny 19 hifoha 20 jolay 2025 lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjam-ben’i Tsia­fahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy iray nahavita nanindrona antsy ny zaodahiny. Raha tsiahivina, nisy lanonam-pianakaviana teny Andoharanofotsy ny alin’ny 19 hifoha 20 jolay 2025 teo. Rehefa niakatra ny tahan’ny alikaola, nifampively tamin’ny tavoahangy ny lehilahy roa mpizaodahy. Nandray antsy ny iray ary nanatsatoka izany tany amin’ilay zaodahiny. Voa­tsindrona teo amin’ny lamo­siny sy ny sorony ilay niharam-boina. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly izy taorian’ny tranga. Nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria avy amin’ny tobim-paritra An­doharanofotsy, taorian’ny antso. Nosamborina ary na­naovana fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny zandary ilay nahavon-doza.
Raha ny fantatra, tsy nifankahazo hatry ny ela ireto mpizaodahy nifamono ireto. Ni­fampiandry kendry tohina ary izao niafara tamin’ny tsindron’antsy teny an-toerana izao. Nanana ahiahy momba ny fihetsiky ny zoadahiny io voatsindrona antsy sady voavely tavoahangy io talohan’ny ady. Nametraka fitoriana fiandry noho ny fandrahonana ho faty teny amin’ny biraon’ny Zan­dary izy, ny volana marsa 2025 lasa teo. Efa-bolana taty aoriana, niharan’ny tsatok’antsy sy vono nataon’ilay zaodahiny tokoa izy.

Mino

Partager sur: