Resin-tory teo amoron-dalana : Lehilahy iray maty voahitsaky ny fiarabe

Voalaza fa resin-tory teo am-piandrasana ny sisin’ala tany Ambodimanga ny lehilahy iray. Nianjera tany amin’ny arabe izy ary voahitsaky ny fiarabe sendra nandalo. Maty tsy tra-drano ary vaky niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany.

Lehilahy iray tokony ho 40 taona maty vaohitsaky ny fiarabe mpitatitra tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly atoandro, tamin’ny 11 ora sy sasany, tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambodimanga, kaominina andrenivohitra Marosakoa, ditrikan’ny Marovoay, faritr’I Boeny. Voahitsaky ny fiarabe iray nandalo ny lehilahy iray mpiandry sisin’ala. Raha ny fanazavana voaray amin’ny nanatri-maso, resin-tory teo amoron-dalana io niharam-boina io ka nianjera tany amin’ny arabe. Nisy kamiao nandalo nefa tamin’io fotoana io ka nahahitsaka tsy nahy azy. Voahitsaka sy notetezin’ny kodiarana aorian’ny fiarabe ny lohany ary vaky niparitaka teo amin’ny lalana ny atidohany. Vokany, maty teo no ho eo izy.
Nandray ny fanadihadiana ny raharaha ny mpitandro filaminana miasa sy mandamina ny fifamoivoizana teny an-toerana. Taorian’ny tranga, notanana natao famotorana sy natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny zandary ny mpamilin’ny fiara. Naiditra am-balam-pamonjana ihany koa ilay kamiao nitera-doza.
Miasa andro aman’alina

Lehilahy maromaro izy ireo no miasa manao ny fiambenana io sisin’ala io. Miasa andro aman’alina izy ireo fa mifandimby kosa aorian’izay, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Tsy nisy nahita ny fianjeran’io lehilahy io fa ny fipoahana vokatry ny hitsaky ny fiara no nanaitra ny olona manodidina. Raha ny fantatra, efa niasa taona maro tamin’io fiambenana io ilay niharam-boina. Ny harerahana nateraky ny asa fiambenana no nahatonga azy ho resin-tory, raha ny fantatra. Amin’ny ankapobeny, tsy fitandreman’ny mpampiasa lalana ny tena antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Anisan’izany, ny mpandeha an-tongatra sy ny mpamily. Nanamafy ny tomponandraikitra fa ilaina hatrany ny fitandremana sy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eny an-dalana mba hisorohana ny loza. Ilaina ny fifantohan’ny mpamily. Tsara ihany koa ny mijery havia sy havanan’ny lalana sao misy olona mitsoraka na mamono tena tampoka.

Mino

Partager sur: