Paraky-Andrefan’i Mananjara: Efa-dahy nahatrarana fitaovam-piadiana

Basy poleta niampy bala telo saron’ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Mahamasina, tany amin’ny efa-dahy, teny Paraky, Andrefan’i Mananjara, ny alahady 27 jolay maraina teo. Nanao fisafoana alina teny an-toerana ny ekipan’ny polisim-pirenena. Nisy andian-dehilahy naneho fihetsika hafahafa ka nanatona ny mpitandro filaminana. Natao ny fisavana. Nahatrarana rongony ireo lehilahy ireo tamin’ny fotoana nigadonan’ny polisy. Tsy nanaiky nosavaina nandritra io fotoana io ny iray tamin’ireo tratra. Noteren’ny polisy izy ka nahitana basy poleta MAC calibre 7,65 mm. Nahatrarana fonosona rongony koa teny aminy. Tsy nisy afa-nandositra ireo telo lahy naman’io nitana ny basy io. Nentina avy hatrany nihazo ny kaomisaria izy ireo. Natao famotorana mialoha ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana. Tsiahivina, matetika hitrangana fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny manodidina an’Andrefan’i Mananjara iny. Mitohy ny hetsika ataon’ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: