Nikasa handositra tao amin’ny birao: Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny zandary

Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny zandary teny Fenoarivo, afakomaly, tamin’ny 9 ora alina. Rehefa nikasa handositra sy handrombaka ny basin’ny zandary iray nanao andrimaso azy tao amin’ny biraon’ny zandary. Notazomina sy natao fanadihadihana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy rehefa voasambotra ny alahady 27 jolay lasa teo. Efa nitady hirika hivoahana matetika tao amin’io toerana nitazonana azy io izy, raha ny fanazavana voaray. Nilaza ho tsy salama ary nakana mpitsabo hizaha azy. Fantatra tamin’izany fa salama tsara ny tenany. Ny alin’ny 28 jolay 2025, nitaraina mafy ho narary kibo tamin’ny mpiandry raharaha indray io jiolahy io. Natorany tamin’ny tarehin’ny zandary iray ny malotony vao nisokatra ny varavarana. Nosintominy ny fitaovam-piadian’io mpitandro filaminana io fa tsy azony. Raikitra ny fifanjevoana ary nitifitra avy hatrany ny zandary ho fiarovan-tenany ka nahalavo io olon-dratsy io. Nentina namonjy hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra nahazo azy.
Tsiahivina fa niditra antsokosoko tao amin’ny tokantranon’olona iray teny Fenoarivo ny olon-dratsy anankiroa, ny alahady lasa teo. Tsy nisy olona fa lasa nivavaka ny tao an-trano, tamin’io fotoana io. Nampandre ny mpitandro filaminana ny olona teny amin’ny manodidina rehefa nahatsikaritra ny zava-misy. Tonga ara-potoana ny zandary ka nahasambotra ny iray tamin’ireo mpangalatra, raha toa ka tafaporitsaka kosa ny iray hafa. Mbola tratra teny aminy ireo entana avy nangalariny, toy ny vola mitentina 6 430 000 Ariary, firavaka volamena sy volafotsy, Décodeur, solosaina sy entana maro samihafa. Eo am-pikarohana ireo namany mbola mirihariha any ny manam-pahefana hatramin’izao

Mino

Partager sur: