Raharaha Ambohimalaza: Naiditra am-ponja i Fenohasina sy ny reniny

Vita omaly alina ny fakana am-bavany an’i Fenohasina sy ny reniny, mahakasika ny raharaha nahafatesan’olona am-polony teny Ambohimalaza, nanomboka ny 14 jona lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Taorian’ny fakana am-bavany, nijery ny vesatra niandry azy ireo ny mpitsara mpanao famotorona ka namoaka didy hampiditra vonjimaika ny renin’i Fenohasina. Napetraka teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa izy. “Malalaka amin’ny fanatanterahana ny asany sy ny fanapahan-kevitra avoakany ny mpitsara mpanao fa­motorana”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Rakotoniaina Narindra Navalona, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, omaly alina. Nambarany fa misy ny tsy fitoviana hevitra eo amin’ny mpitsara mpanao famotorana sy ny fampanoavana ka nahatonga azy ireo nanao fanohanana. Nalefa teo anivon’ny Chambre de détention izany ka namoahana ny didy hampiditra vonjimaika am-ponja an’i Fenohasina.
“Mitohy ny famotorona ary miezaka mandalina ny raharaha ny fitsarana mba hahitana ny marina”, hoy ihany izy. Hatolotra ny fitsarana ady heloka bevava ireo voarohirohy rehetra amin’io raharaha io, aorian’izay. Azon’ny rehetra atao ny manatrika izany. Marihina fa mahatratra dimy ireo olona naiditra vonjimaika am-ponja mahakasika ity tranga ity, hatramin’izao.

Mino

Partager sur: