Lehilahy voatsatoka antsy inenina : Notanana am-ponja ny nahavanon-doza

Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ankazobe, ilay lehilahy nanidrona antsy inenina ny lehilahy iray hafa, tao amin’ny kaominina Ambo­hitromby. Niaro ny anabaviny tsy ampy taona saingy efa tao anatin’ny hamamoana, nandratra olona tamin’ny fomba nahatsiravina ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany sady kao­minina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe io, ny 26 jona teo. Nanao forazaza ny tao an-tanàna. Niara-nifaly nandritra ny alin’io andro io ireo mpanatrika ka anisan’izany ny zandry vavin’ilay lehilahy. “17 taona io ankizivavy io saingy hitan’ilay zokiny nisy le­hilahy nanadala”, hoy ny fa­nazavan’ny zandary kaomandin’ny tobim-paritra Anka­zo­be. Naterin’ilay zokiny tany an-trano, araka izany, io zandriny io. Niverenany ilay lehilahy nanadala ny zandriny. “No­lerany antsy inenina teo amin’ ny faritry ny kibony io lehilahy nanadala ilay zandriny io”, hoy ny fanazavan’ny zandary na­nao famotorana. Efa nisaraka ny ray aman-drenin’izy mi­anadahy ka nipetraka ho mpitaiza an’io zandriny io ilay lehilahy.

Tao anatin’ny hamamoana

Nisotro zava-pisotro ma­ha­mamo avokoa ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy na­na­trika io famorana io. Ani­san’ ireo nisotro tamin’izany koa ny zokin’ilay ankizivavy nisy na­nadala. Tsy nahafehy ny hatezerany intsony ity farany ka na­­havanona io loza amin’atambo io. “Niezahana nentina toeram-pitsaboana ilay naratra ka mbola eny anivon’ny HJRA izy amin’izao fotoana”, hoy hatrany ny zandary. No­samborina ny nahavanon-do­za. Nentina natao famotorana izy ka niaiky ny helony. No­hainoin’ny fampanoavana, voatazona vonjimaika eny anivon’ny fonja Ankazobe, ity fa­rany. Ahina mafy ny fahasalaman’ilay voa­tsatoka antsy. Manao izay ho afany mitsabo azy kosa ny fianakaviany. Tsy nanaiky ny nanjo ny havany izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: