Nivoaka ny alakamisy 24 jolay maraina teo, tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ny valin’ny raharaha fanolanana, fametavetana ankizy tsy ampy taona “attentat à la pudeur”, voafaritry ny fehezan-dalàna famaizana laharana faha -331, andininy voalohany.
Nilatsaka ny didy ka nomelohina higadra dimy taona am-ponja Randriamarolahy Nambinintsoa Francky. Raharaha nandrasan’ny maro ity didim-pitsarana ity noho ny voampanga efa zatra amin’ny fanaovana asa maloto fa saingy avotra hatrany. Efa nanenjehina azy ny fisolokiana, ny fanolanana, fa saingy matahotra ny hitory azy izay iharam-boina noho ny fisehosehoany ho mahitahita sy mitonona ho manana karatra marary saina ka tsy mampigadra azy. Raha hiverenana ny raharaha, ny 17 jolay teo, fotoam-pitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-1810/RP/25-IS/ ST/LT, teo anivon’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, nandritra ny adihevitra teo amin’ny fotoam-pitsarana. Nambaran’ ny mpangataka onitra fa tia milalao ireny balançoire ireny ity zanak’izy ireo efatra taona ity. Mpifanolobodirindrina izy ireo sy ny voampanga. “Mandritra ny filalaovan’ilay ankizy eo an-tokotany, nantsoin-dRandriamarolahy Nambinintsoa Francky io zaza io, nentiny niditra tao an-tokantranony ary nohidiny tao an’efitra”, hoy ny reniny. Notantarain’ilay ankizy teo amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava sy fiahiana ny ankizy tsy ampy taona sy teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana misahana ny zaza tsy ampy taona ny nanaovan’io jiolahy io azy. Na izany aza, na nanatrika ny fotoam-pitsarana aza ny niharam-boina dia tsy nanontanian’ny mpitsara mba hitantara izay nanjo azy. Mahatonga ny ahiahin’ny mpangataka onitra ny mety hamotsoran’ny fitsarana ity mpanolana ankizy ity. Nandritra ny firesahana tamin’ny ray aman-drenin’ny niharam-boina no nahalalana fa efa fahazaran’ity tovolahy ity ny manao izao amin’ny ankizy eo aminy fokontany misy azy ireo fa saingy matahotra ny ray aman-drenin’ireo ankizy.
Sajo




