Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Anjakan’ny asan-jiolahy mahery vaika eo anelanelan’i Brickaville Antsapanana, lalam-pirenena faharoa sy Amboditavolo, lalam-pirenena faha-11 A, mihazo an’i Vatomandry tato ho ato. Lasibatr’ireo andian-jiolahy ireo ny taksiborosy sy kamiao, hatramin’ny mpandraharaha. Noho izany, nanao ezaka hampandriana fahalemana ny zandary ka nanao fidinana ifotony teny an-kianja, nanao ny fanarahan-dia sy fikarohana ire olon-dratsy. Araka ny loharanom-baovao voaangona tamin’ny tsara sitrapo, lehilahy mponina tao amin’ny kaominina Fierenana, tsy lavitra an’i Vatomandry, no voatonontonona anarana. Nizara ho ekipa maromaro ny zandary, nisy ireo nanao fikarohana teny amin’ny manodidina ny lalam- pirenena faharoa. Nahitana karapanondrom-pirenena latsaka nifanandrify indrindra tamin’ny toerana efa nitrangana fandrobana kamiao. Voamarina tamin’ny alalan’io karatra io fa any Bealanana ny adiresy. Nidina ifotony ny zandary ka tratra ny tompon’ny karatra. Nitoroka ny namany miisa valo ity farany. Tambajotran-jiolahy mihitsy ity ravan’ny zandary ity.
Natolotra ny fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ny alatsinainy 28 jolay teo, ireto jiolahy ireto. Naiditra vonjimaika am-ponja ao Ambalatavoahangy miandry ny fotoam-pitsarana ho amin’ny ady heloka be vava.
Sajo




