Malagasy ao Maorisy : Nanangana klioba rugby mitondra ny anarana MRM

Maro dia maro ireo Malagasy miasa sy monina any Mao­risy. Ho fampiraisana azy ireo sy izay mankafy ny taranja rugby, nanangana klioba Malagasy rugby in Mauritius (MRM) izy ireo. Efa nijoro ara-dalàna izany ny taona 2020.

Miray hina ny Malagasy! Hankalaza ny fahadimy taona nijoroany ny klioban’ireo Malagasy mpilalao rugby atsy amin’ny Nosy rahavavy Maurice, Malagasy rugby in Mauritus (MRM). Anisan’ireo klioba fito mifanintsana amin’ny fifaninanana avo any an-toerana ny MRM. Araka ny fanadihadiana natao tamin’i Harivony Rakotoarisoa Dimbiniaina Miarina Henin-
tsoa na i Tsu Be, filohan’ny klioba MRM, omaly, klioba iray hivondronan’ireo Malagasy miasa sy mianatra any an-toerana ity ekipa iray ity. Misy amin’izy ireo no efa nandalo ekipam-pirenena sy manana traikefa amin’izany. Ahitana mahorey ihany koa ny MRM.
Tanjon’izy ireo efa napetraka hatramin’izay ny handraisana anjara hatrany amin’ny fifaninanana ao Maurice. Efa tanteraka moa izany, noho ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny klioba Port Louis Sailors (PSL) sy ny ASVP. Vinan’izy ireo manaraka ny handrombaka ny amboara rehetra misy amin’ny fifanintsanana ao an-toerana.

Asa sosialy

Amin’ny maha fikambanana iray mampivondrona ny Malagasy azy, misy ny latsakemboka izay mitentina 100 ropia (Rs) aloha isaky ny mpikambana, isam-bolana. Tsy nataon’izy ireo ho fitadiavam-bola izany fa hanaovana asa sosialy ho an’ireo manana fahoriana, ohatra ireo nindaosan’ny fahafatesana. Tsy hadinon’izy ireo amin’izany ihany koa ireo tera-bao.
Nomarihin’izy ireo hatrany fa manana ny volany manokana ny klioba sy ny taranja rehetra misy ao amin-dry zareo.
“Tena mahafinaritra ny fifandraisana na eny an-kianja na eny ivelany. Misy ny fifampizarana sy ny fampiroboroboana ny fifandraisana. Mi­sokatra indray ny varavarana ho an’ny Malagasy aty, na eo amin’ny resaka asa izany na ny finamanana”, hoy ity mpitantana ny klioba MRM ity.

Hanao lalao ara-pirahalahiana eto an-tanindrazana

Manana faniriana lehibe ity fikambanana atsy Maurice ity. Anisan’izany ny hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ireo klioba sangany eto Ma­dagasikara. Mbola mipetraka ho olana iray tsy ahafahan’izy ireo manao izany ny tsy fitovian’ny fandaharanasan’ny tsirairay any amin’ny orinasa mampiasa azy avy sy ny vanim-potoam-pianarana.

Fampahafantarana

Tsara ny mampahafantatra fa tany am-piandohana, mbola fikambanana nivondronan’ireo Malagasy mpiasa mankafy baolina lavalava any Maorisy ny MRM. Tamin’ny taona 2020 vao nijoro ara-dalàna ary afaka nandray anjara tamin’ireo fifaninanana karakarain’ny Federasionina maorisianina. Efa voahosotra ho tompondakan’i Maorisy, tamin’ny Rugby lalaovin’olona folo, ny MRM, ary efa tompondaka lefitra tamin’ny baolina lavalava lalaovin’olona fito sy 15 ihany koa. Noho ny fitsipika napetraky ny Federasionina ao an-toerana dia tsy afaka manafatra mpilalao avy aty Madagasikara ny MRM fa ireo Malagasy miasa any an-toerana ihany no afaka mandrafitra ny klioba.
Fihetsika iray tokony halain-tahaka amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny firaisankinan’ny Malagasy any ivelany tahaka izao. Na eo amin’ny fanatanjahantena iza­ny, na eo amin’ny lafiny ara-kasa.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: