Hala-jaza teny Ambohimahitsy : Vehivavy roa naiditra eny Antanimora

Niakatra fampanoavana omaly, ireo vehivavy miisa roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahaverezan’i Tanyah kely, ilay hita faty teny Ambohimalaza.

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’­Antani­mora, omaly, ny ramatoa miisa roa voasaringotra tamin’ny hala-jaza niharo vono olona teny amin’ny fokontany Ambohitremo, kaominina Ambohimalaza. Niray tendro tamin’ny famolavolana ny teti-dratsy rehetra namonoana an’i Tanyah kely izy roa vavy ireo sy ny lehilahy iray hafa izay mbola karohina fatratra amin’izao fotoana. Nalain’ny olon-dratsy teo an-tokotany, ny sabotsy 19 jolay lasa teo, io zazavavy io. “Natory tao an-tranony ny reniny sy ny zandriny ary mbola niasa ny rainy tamin’io fotoana io”, hoy ny fanazavan’ny andrimasom-pokonolona ao anivon’ny fokontany Saharavo, Ambohimahitsy, Raveloarisoa Jeanine. Nisy nahita nentin’ny lehilahy iray mpivezivezy eo amin’ny manodidina io zaza io. “Nisotro alikaola ilay nahita maso ka efa tsy niasa saina firy”, hoy ny fanazavana voaray. Tsy hita intsony i Tanyah kely nanomboka teo. Nanao fampahafantarana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny fianakaviany. Hita faty tao anaty kirihitra, ao Ambohimalaza, io zaza io, ny alatsinainy 21 jolay. Tsy nisy voamaso ary nofatorana ny tongony.
Mpisakaiza karohina
Natao ny fomba rehetra namantarana ny tompon’antoka tamin’ity tranga ity. Tratra tamin’izany ireo vehivavy miisa roa ireo. Ankoatra io, karohin’ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana ny lehilahy iray hafa anisan’ny voatonona anarana tamin’ity vono olona ity. Tsy nivezivezy intsony teny amin’ny fokontany nisy an’i Tanyah kely io lehilahy io taorian’ny tranga. Tadiavin’ny zandary koa ny sakaizan’io ahina ho nahavanon-doza nanao ny fanolanana sy vono miharo habibiana io. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: