Saika halefa any Tanzania: Roa lahy nahatrarana sokatra sy gidro

Voasambotry ny mpitandro filaminana ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny roa lahy nikasa hanondrana biby arovana sy ahina ho lany tamingana, omaly. Nataony tao anaty harona ny karazan-gidro atao hoe Tsibaka miisa folo niampy sokatra Radiata 78. Nentina tamin’ny bajaj ireo entana ireo. Notanana vonjimaika ny mpitondra ilay Bajaj sy ny lehilahy iray hafa nampitondraina ny entana. Tsy nipoitra ny tompon’antoka tamin’io raharaha fanondranana biby arovana io. Mikaroka azy ny mpitandro filaminana. Natao famotorana ny lehilahy nitondra ny entana. Nokasaina haondrana any Tanzania ireo gidro sy sokatra ireo. Mananika ny 456 ny isan’ny sokatra tra-tehaky ny mpitandro filaminana ao Mahajanga, tao anatin’ny telo volana lasa. Arahi-maso ny fahasalaman’ireo biby arovana ireo ary hatolotra ny fikambanana manokana miaro azy izy ireo aorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: