Olona manodidina ny 20 mahery naratra vokatry ny fivadihan’ny karandalana iray tany amin’ny fokontany Ankaroka, omaly. Vehivavy iray namoy ny ainy tamin’izany.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tao amin’ny fokontany Ankaroka, kaominina Ianabinda, distrikan’i Betroka, faritra Anosy, omaly tamin’ny 07 ora sy 20 minitra maraina. Nitrangana olana tampoka ny fiara karandalana iray ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana. Vehivavy iray, mpandeha tao anatiny no namoy ny ainy tamin’izany. 20 mahery hafa naratra, voa mafy ny telo tamin’ireo ka tsy maintsy nalefa any amin’ny hopitalin’Ihosy. Fiara karandalana an’ny
koperativa kofifi, avy any Taolagnaro ary hihazo an’ Antananarivo izy io. Nitondra olona maherin’ny 70 isa teo ho eo. Raha ny fantatra, fahatapahan’ny « axe » aloha, mihazona ny « ressort » no voalaza ho nitarika ny loza, raha ny fanazavana voaray. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana teny an-toerana nisehoan’ny loza ny zandariamariam-pirenena niaraka tamin’ny mpitsabo. Notanana natao andrimaso sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana kosa ny mpamilin’ny fiara.
Fiara iray nivadika tetsy Ambodiafontsy
Ankoatra izay, fiara Mercedes iray ihany koa tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena voalohany iny. Niseho teo amin’ny lalana Ambodiafontsy, tamin’ny 3 ora tolakandro, ny loza. Ramatoa iray tao anatin’ny fiara no naratra mafy ary efa nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Avy avy any andrefana nitondra entana, laisoa, hihazo an’Antananarivo izy io. Nandeha mafy ary nisongona bisikileta iray teo alohany io fiara io. Somary fiholahana ny lalana ka tsy nahatana ny familiana ny mpamily, antony nampivadika ny fiara. Tombanana ho tsy fitandreman’ny mpamily ny anton’ny loza. Nitondra olona telo teo aloha io fiara io. « Efa nasaina nandeha mora ny mpamily fa vao mainka izy nandeha mafy”, hoy ny vehivavy nandeha tao anatiny. Antony mahatonga ny lozam-pifamovoizana ny fandehanana mafy eny an-dalana. Misokatra avy hatrany ny famotorana ataon’ny zandarimaria avy any Ampitatafika.
Mino




