Didimpoitra faobe : Zaza iray herintaona maty tampoka

Ankilizahikely vao herintaona monja namoy ny ainy teo am-panaovana ny famorana azy tany Salazamay Toa­masina, ny sabotsy lasa teo. Sempotra io zaza io vao nampidirina ny tsindrona « anesthesie » mialoha ny hamorana azy, raha ny fanazavana voaray. Nifamonjena ary nentina haingana tany amin’ny Hopi­taly Be Toamasina, saingy tsy tana ny ainy. Mbola kely loatra izy ka mety tsy nahazaka ny fanafody natao taminy, anton’izao fahafatesana tampoka izao. Taorian’ny fikarakarana rehetra, nentina nihazo aty Andrenivohitra, omaly, ny razana mialoha ny handevenana azy.
Nikarakara  famorana faobe ­maimaim­poana ny Fiangonana FJKM Ziona any an-toerana, ny sabotsy teo. Maro ny ray aman-dreny tonga namaly ny antso tamin’izany. Anisany ny ray aman-drenin’io zazalahikely maty io. Tsy nitovy hevitra tamin’ny fitondrana ilay zaza ho foraina ireo mpivady, ray sy reniny, talohan’io fotoana io, raha ny fanazavana voaray. Nanam­bara ny dadany fa mbola kely loatra ary tsy tokony mbola hatao izany ilay zaza. Tsy nanaiky izany hatramin’ny farany anefa ny renim-pianakaviana ka nentina tsy fidiny tany io zaza io.
Maro ny ray aman-dreny misafidy ny hanao famorana ny zanany lahikely amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Ilaina ny fandraisan’andraikitry ny mpitsabo sy ny rain-jaza amin’ny fetran’ny zaza tokony hoforaina, mba hisorohana ny loza tahaka izao.

Sajo / Mino

Partager sur: