Nisy namono : Tovolahy iray hita faty tao anaty rano

Tovolahy iray 26 taona no hita faty teny amin’ny reniranon’Andrianambo, fokontany Ambatomitsangana, kaominina ambanivohitr’Ambohitrabiby, distrikan’Avaradrano, omaly. Ahina ho nisy namono izy, raha ny tombantombana nataon’ny fianakaviany…

Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny antony nahafaty azy fa ahina ho nisy namono, raha ny fitantaran’ny fianakaviany. Efa fanaony ny mody somary taratara rehefa avy miasa fa tsy tonga tany an-tranony mihitsy izy nanomboka ny talata hariva. Ny vadin’ny rahalahiny no nampandre ny fianakaviana rehetra mbola niasa tany an-tsaha. Araka ny fanazavan’ny rahalahiny, sa­lama tsara izy, niala tao an-trano handeha hiasa eny Ambatofotsy, ny talata. Mio­vaova ny fotoana fahatongavany rehefa avy miasa. « Isa­ky ny amin’ny 4 ora sy sasany no fahatongavany any an-trano na farafahatarany amin’ ny 5 ora, saingy nahavariana fa tsy tonga taty an-trano mihitsy izy. Niezaka niantso azy tamin’ny telefaonina izahay fa tsy tratra antso », hoy ny fanazavan’ny zokiny lahimatoa. Hatairana, araka izany, ny an’ny fianakaviany mbola teo am-perinasa tany an-tsaha nandre fa maty an-drano ity tovolahy ity.

Mangana ny vatany…

Voalaza anefa fa tsy manana olana ara-pahasalamana izy io. Mbola hita teny aminy avokoa ny akanjony rehetra tamin’ny fotoana nampakarana ny razana. Efa nahitana fahasimbana kosa anefa ny vatana mangatsiakany. Tonga teny an-toerana nanao fizahana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera. Raha ny tombana nataon’ny dokotera, maty nisy namono izy ka efa ho telo andro no namonoana azy, nialoha ny nanipazana azy tao anaty rano. Nahitana mangana sy ratra rahateo ny vatany nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera. Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: