Fiondranana antsokosoko : Malagasy 13 tratra saika hihazo an’i Mayotte

Hiatrika fampanoavana, anio, ireo Malagasy miisa 13 nikasa hiondrana antsokosoko any amin’ny Nosy rahavavy Mayotte saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Mahamaniny, kaominina Antsakoamandro, distrika Ambanja. Naharay loharanom-baovao momba ny fisiana andian’olona mikasa hiondrana antsokosoko ny mpitandro filaminana miasa ao Ambanja. Tsy manana fahazoan-dalana hivoaka ny sisintany ary hiditra amin’io nosy kasain’izy ireo handehanana io anefa ireo olona ireo. Nanao ny angom-baovao ny zandary ka sarona tao amin’ny trano iray izay efa nisitrihany sy niandrasany ny fiaingana ireo mpandeha ireo. Vehivavy avokoa ny 10 tamin’ireo 13 voasambotra. Zaza tsy ampy taona ny efatra. Mizaka ny zom-pirenena malagasy avokoa izy ireo. Nosamborina ka notanana vonjimaika eny anivon’ny zandary. Natao famotorana ka niaiky avokoa fa saika hivoaka antsokosoko ny sisintany malagasy.

Tsiferana R.

Partager sur: