Fanolanana zana-bady: Notanana vonjimaika am-ponja ilay raikely sy ny vadiny

Ankizivavy 14 taona, niaritra fanolanana nataon’ny raikeliny nandritra ny roa volana, teny Anosizato. Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza, eny Antanimora kosa ny vadiny, renin’ilay ankizivavy.

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray 37 taona. Nahavita nanolana ny zana-badiny vao 14 taona, tetsy Anosizato, izy. Nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny vadiny (33 taona), renin’io ankizivavy io. Antony hanenjehana azy ny firaisana tsikombakomba noho ny tsy fitorohana sy fanafenana ny tranga nahazo an-janany. Efa nahafantatra efa ela io ramatoa io fa naolan’ny vadiny matetika ny zanany vavy kanefa nandrara izany tsy hiteny na amin’iza na iza ny tenany, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Anosizato. Nentina teny amin’ny mpitsabo ilay ankizivavy taorian’ny fahafantarana ny zavatra nanjo azy. Fantatra tamin’izany fa efa simba tanteraka ny taovam-pananahany noho ny herisetra nahazo azy.

Voaolana nandritra ny roa volana
Niharan’ny herisetra ara-nofo nataon’ny raikeliny io ankizy io tao anatin’ny roa volana. Nanararaotra ara-nofo taminy ilay rangahy nanomboka ny volana mey lasa teo. Nanafina ny tranga nahazo azy io ankizivavy io, noho ny tahotra an-dreniny, mba tsy hilazana ny nahazo azy amin’olona. Rehefa tena tsy zakany intsony izany dia nitaraina tamin’ny olom-patany ny lasibatra. Ireo olona ireo no tonga nitoroka teny amin’ny biraon’ny zandarimaria etsy Anosizato, ny 31 jolay lasa teo. Nandray andraikitra avy hatrany nikaroka sy nisam­botra ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza ny zandary taorian’izay. Notanana sy nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny zandary izy nanomboka io andro io.

Mino

Partager sur: