Fokontany Marovato- Miarinarivo: Tovolahy 17 taona hita faty nisy diam-bala

Hita faty tao anaty kirihitr’ala i Boeza, tovolahy vao 17 taona, tao amin’ny fokontany Marovato, kaominina ambanivohitra Miarinarivo, disitrika Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, ny 2 aogositra teo. Nahitan’ny fokonolona diam-bala ny vatan’io lehilahy na­moy ny ainy io. Nasitrika tao anaty kirihitr’ala, tao aorian’ny namonoana azy, io tovolahy io. Ankizy haka kitay no nahita tampoka ny razana izay nosaromana ravin-kazo. Nampan­dre ny fokonolona avy hatrany ny nanatri-maso. Nifamaly ta­min’ny zandary roa lahy nisotrosotro tao an-tanàna an’i Marovato ny fokonolona, ny 31 jolay. Tsy naharitra nifamaly tamin’ireo mpitandro filaminana roa lahy ilay tovolahy tamin’io fotoana io ka niala, araka ny fanazavan’ny nanatri-maso ny fifamaliana. Nara­hin’ireo zandary roa lahy io tovolahy tsy ampy taona io ary naheno feom-basy ny fokonolona taorian’izay. Niverina teo amin’ny toeram-pisotroana ireo zandary roa lahy. Tsy hita in­tsony i Boeza ka nikaroka azy ny fianakaviany sy ny fokonolona. Hita faty ity farany, roa andro taorian’io nikarohana azy io. Manahy mafy ny fianakavian’ny maty fa niniana no­vonoina ny zanak’izy ireo ka­nefa tsy nanao ratsy. Name­traka fitoriana eo anivon’ny zandarimaria miasa ao Andila­mena ny havan’ny lasibatra.

Sajo

Partager sur: