Anosibe : Mpangarom-paosy iray tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisin’ny CSP5, miasa etsy Anosibe Tsena, ny lehilahy mpangalatra sy mpangarom-paosy iray, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Avy nangalatra findain’ny lehilahy lehibe iray tao anaty tsena io olon-dratsy io. Lasa nitsoaka avy hatrany izy taorian’ny asa ratsiny. Niantso vonjy ilay lasibatra. Nandray andraikitra tamin’ny fanenjehana ilay olon-dratsy ny polisy iray miasa eny amin’ny manodidina rehefa nahare ny antso vonjy. Tsy niandry ela fa voasambotra tao anatiny tao ihany ity mpangarom-paosy ity. Nofatorana teo amin’ny Rond point Anosibe Tsena izy avy eo, mba ho hitan’ ny olona sy hampitahorana ireo namany izay mbola miriaria any. Nentina nihazo ny biraon’ny polisim-pirenena eny amin’ ny CSP5 Mahaamasina izy taorian’izay.
Naverina tamin’ny tompony kosa ilay finday rehefa voamarina. Tsiahivina fa anisan’ny faritra be mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy eny amin’iny faritra Anosibe iny. Efa maro ny olona lasibatr’izany. Manentana ny rehetra sy ny mpivezivezy eny an-toerana ny mpitandro filaminana mba ho mailo hatrany. Entanina ihany koa ny rehetra mba hitoroka sy hilaza ireo mpanao ratsy efa fanta-daza.

Mino

Partager sur: