Fakana an-keriny : Voasaringotra ny raikelin’ilay zaza varira

Notanana atao andrimaso sy fanadihadiana eny anivon’ ny polisy ireo roa lahy izay tsy hafa fa ray niteraka sy raike­lin’ny zaza varira nisy naka an-keriny tao Marofinaritra, kaominina Mananjary. Tsy nifankahazo ny renin’io zazavavy vao 4 taona monja io sy ny rainy. Niafara tamin’ny fifamaliana izany ka nandao ny tokantrano izy mianaka. Ni­kasa hamonjy ny ray aman-dreniny ilay ramatoa sy ny zanany, ny sasakalin’ny talata 5 aogositra teo. Nisy nanararaotra nibata tampoka tao anatin’ny haizina io zaza va­rira io. Olona maromaro naka ny zaza sady nampiasa fiara sy moto. Niezaka nanavotra ny fokonolona saingy tafaporitsaka ireo mpaka an-keriny. Tsy hita ilay zaza ka raikitra ny fikarohana. Nampandre ny fianakaviana sy ny mpitandro filaminana ny renin’ny zaza. Niroso tamin’ny angom-baovao sy fikarohana ireo nahavanon-doza ny zandary miasa ao an-toerana. “Nilaza ho na­nana olana ilay raikely sy ny renin’io zaza io nandritra ny fanadihadiana savarano­nando”, nataon’ny zandary. Man­dray an-tanana ny raha­raha kosa ny kaomisarian’ny polisy ao an-toerana noho ny fiaraha-miasa eo anivon’ny samy mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: