Folo lahy nanafika: Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana

Namoy ny ainy vokatry ny hataraina tampoka, taorian’ny fanafihan-jiolahy tao an-tranony, ny raim-pianakaviana iray efa taizan’aretina tao Manga­rano II, parcelle 11/47, Toa­ma­sina, omaly. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, ao amin’io fokontany io, ny jiolahy miisa telo tsy nisy nisaron-tava, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. « Miisa folo eo ho eo ireo mpanao ratsy saingy nijanona ivelan’ny trano ny namany », araka ny fanazavan’ny zanaky ny lasibatra. Nofa­toran’ireo tsy mataho-tody tady avokoa ny varavarana rehetra tamin’ny efitra hafa. Niditra tao amin’ilay raim-pianakaviana efa marary ireo olon-dratsy. Naka ny finday sy ny vola tao an-trano. Nahavita niantso vonjy tamin’ireo zanany io raim-pianakaviana io satria tsy novonoin’ireo jiolahy. Nitsoaka nandositra ny olona sasany tao an-trano rehefa naharaka ny zava-nisy ary nifanenjehan’ireo jiolahy. Tsy tratra kosa anefa izy ireo. Taitra loatra tamin’io fandrobana nahazo azy io, namoy ny ainy, omaly atoandro tamin’ny 12 ora sy sasany ilay raim-pianakaviana 67 taona. Miantso ny mpitandro filaminana hijery ifotony ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ny mponina. Miaina anatin’ny tebiteby tanteraka izy ireo saingy atody miady amam-bato.

Sajo

Partager sur: