Mpamily mamo : Olona roa maty voadonan’ny fiara

Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana namoizan’aina olona tato ho ato. Olona roa samy hafa no maty voadona sy voahitsaky ny fiara ny sabotsy lasa teo. Maty voadonan’ny fiara ny ramatoa iray, ary voahitsaky ny fiarabe mpitatitra ny lehilahy iray hafa.

Nahavoadoana olona mianaka teo amin’ny amin’ny lalana mankany amin’ny Zahamotel hiditra ny fokontany Amborovy Mahajanga ny fiara grand Starex iray, afakomaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Noentina lehilahy 38 taona io fiara nahavanon-doza io. Naratra mafy vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy izy mianaka ireo. Noentina teny amin’ny hopitaly CHU Androva saingy tsy tana ny ain’ilay renim-pianakaviana, 35 taona, teny an-dalana. Mbola tsy mahatsiaro tena sy tapa-tongotra any amin’ny hopitaly, ny zanany lahy kely, enin-taona.
Nandositra ilay mpamilin’ny fiara taorian’ny loza ary nanatona teny anivon’ny kaomisaria foibe Mahajanga. Notazomina sy miatrika fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy amin’izao. Efa misokatra ny fanadihadiana. Olona vao tonga hiala sasatra any Mahajanga ny marainan’ny sabotsy teo io ny nahavanon-doza io. Avy nisotrosotro teny amoron-dranomasina izy ary nandeha mafy ka izao nifaoka olona izao. Mbola teo am-pikaramana nitatitra vary kosa ireo olona voadona ireo. Tsiahivina fa saika naholan’ny vadiny tany amin’ny petite Plage Amborovy ny zanaka vavin’io ramatoa maty voadonan’ny fiara io ny 31 jolay lasa teo. Efa naiditra am-ponja vonjimaika any amin’ny toby Fanarenana any Marofofo Mahajanga moa io raim-pianakaviana io.

Voahitsaky ny fiara be
Ankoatra izay, lehilahy iray, 41 taona, maty voahitsaky ny fiarabe mpitatitra, afakomaly tamin’ny 7 ora sy dimy minitra, tany Antsirabe. Niseho teo amin’ny lalam-pirenena faha-34, PK 0 teo amin’ny sampanana Ambohimian­drisoa ny loza. Voahitsaky ny kodiarana aoriana ny lohany ka niparitaka tamin’ny arabe. Vokany, maty tsy tra-drano vokatry ny dona nahazo azy izy. Nandeha tamin’ny hafainganam-pandeha 10 km isan’ora ilay fiara. Mamo io mpamily io, raha ny fanazavana voaray. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny polisim-pirenena misahana ny fifamoivoizana sy ny ekipan’ny UIR. Tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ny razana ihany koa ny mpitsabo eo anivon’ny BMH ao amin’ny kaominina Antsirabe. Nitsoaka ihany koa moa ny mpamily ary nitolo-batana teny amin’ny polisy. Efa misokatra ny fanadihadiana.

Mino

Partager sur: