67Ha Avaratra: Lehilahy mpangarom-paosy voasambotra

Lasibatry ny harom-paosy matetika ireo olona miandry fiara sy ireo mpandeha fiara fitateram-bahoaka. Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena teo am-pangaronana paosin’olona tetsy 67Ha Avaratra, afakomaly hariva. Miara-mijoro amin’ireo mpiandry fiara fitateram-bahoaka etsy amin’ny Parking 67Ha Avaratra io olon-dratsy io. Mandritra ny fihazakazahana manenjika fiara no hanararaotany hangaronana ny paosin’olona. Efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina ny polisy manao fanamiana sivily tamin’izay. Nahita ny zava-nitranga izy ireo ka nisambotra azy avy hatrany. Mbola tratra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny izy io tamin’izany. Maro ny fitarainana voaray mahakasika ny sinto-mahery sy ny harom-paosy eny an-toerana sy ny manodidina. Lasibatra amin’izany avokoa na ankizy na olon-dehibe. Toerana tena mamay ny eny Anosibe, Anosy, 67Ha sy ny maro hafa. Manoloana izany, nametraka paikady manokana ny polisim-pirenena miasa eny 67Ha. Natao ny fanaraha-maso rehetra, nasiana ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro filaminana izay manao fanamiana sivily sy manao fanamiana miaramila. Noho ireo ezaka maro samihafa ireo no nahafahana nisambotra ireo tontakely. Mbola mitohy hatrany ny ezaka mba hamongorana ireo mpanao asa ratsy. Nosamborina sy nentina teny anivon’ny kaomisaria io olon-dratsy io taorian’izay, nanokafana fanadihadiana. Hatolotra ny fampanoavana kosa ny raharaha rehefa vita ny famotorona ataon’ny polisy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny halatra isan-karazany eto an-dRenivohitra izao hetsika izao.

Mino

Partager sur: