Afaka madiodio toarian’ny fihainoana azy teny amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena, ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, ireo olona dimy voarohirohy tamin’ny vaky trano tetsy Manjakaray. Nijanona teo alohan’ny varavaran’ny tokantrano misy azy ireo ny alika mpitsongo dia nandritra ny fikarohana ny nahavanon-doza. Nilaza ho tsy mahafantatra na inona na inona mahakasika ilay vaky trano izy ireo ka anton’ny famotsorana. Raha tsiahivina, nitrangana vaky trano tetsy Manjakaray ny alin’ny 2 hifoha 3 aogositra lasa teo. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny kojakoja an-dakozia, ny fahitalavitra ary ny radio tao an-trano. Nisy tokantrano iray manatanteraka famorana teny an-toerana tamin’io fotoana io. Nisy mozika nitabataba mandritra ny alina tontolo ho mariky ny fankalazana sy amin’ny maha fety azy. Nisy namaky ny tambohon’ny tokantrano iray nandritra izany. Ny alahady maraina vao tsikaritry ny tompon-trano fa vaky ny trano. Tonga nametraka fitarainana teny amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena Betongolo izy ireo toarian’izay. Nanapa-kevitra ny hitondra alika mpitsongo dia ny tompon-trano, mba hikarohana ireo nahavanon-doza. Nijanona teo alohan’ny tokantrano iray mifanila-vodirindrina amin’ilay trano vaky ny alika. Nahazo fiantsoana teny anivon’ny zandary ilay tompon-trano ny sabotsy 9 Aogositra lasa teo ary izao afaka madiodio izao.
Mino




