Lavon’ny zandarimaria miasa ao Ambohimangakely, omaly maraina tamin’ny 1 ora, i Mainty, anisan’ny jiolahy raindahiny efa nisazy. Nokarohina nanomboka ny taona 2023 io olon-dratsy io, taorian’ny asa ratsy maro nataony. Tompon’ antoka tamin’ny fandrobana mpitandro filaminana tao Ankadiefajoro Ikianja, io jiolahy io, ny volana septambra 2024. Nanafika tao amin’ny mpiasan’ny orinasa iray izay nahazoany vola sy entana samihafa koa izy sy ny namany, tamin’ ny volana mey 2024. Nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana mpanao Cash point tao Soamanandrariny koa izy ny volana marsa 2023. Lasan’izy ireo ny vola tamin’io fotoana io. Namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana io jiolahy raindahiny io taorian’ny fanafihana nataony voalohany saingy tsy hita popoka ny toerana nisitrihany. Tsy nipetra-potsiny ny zandary fa nanohy ny fikarohana nandritra ny herintaona mahery. Nanao fisafoana alina teny amin’ny manodidina an’Ambohimangakely sy Soamanandrariny, nifanehatra tampoka tamin’ny andian-jiolahy ireo zandary. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy sy sabatra ireo mpandroba. Naratra mafy voan’ny bala i Mainty ka tsy afa-nandositra intsony. Nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana saingy tsy tanà ny ainy.
Tsiferana R.




