Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha mahakasika ireo roa lahy nifanindrona antsy tetsy Ambohinosy Antanety II, kaominina ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo, ny 9 aogositra lasa teo. Mandra-piandry ny fotoam-pitsarana, naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy nahavanon-doza, izay nahavita namono nahafaty ny namany tamin’ny alalan’ny tsindron’antsy. Avy namonjy fahoriana teny amin’ny fokontany Masoandro, kaominina Ambatomirahavavy, ny mpianakavy iray. Nisy fifamaliana teo amin’ny zatovolahy roa, 24 sy 18 taona, ny 09 aogositra tamin’ny 06 ora sy 53 minitra hariva. Niezaka nanasaraka azy ireo ny fianakaviana saingy mbola nihamafy sy niafara tamin’ny tsindron’antsy ny ady. Nandray antsy ny iray ka nanatsatoka izany teo amin’ny afovoan’ny tratran’ilay lehilahy iray. Nentina teny amin’ny Clinique Fifaliana Antombonana, fokotany Antanety II, ilay naratra. Tsy vita tao ary nalefa teny amin’ny CSB II Fenoarivo saingy tsy tana teny an-dalana nitondrana azy ny ainy. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandary toarian’ny antso. Nitsoaka ilay nahavanon-doza taorian’ny ratsy nataony. Nokarohina ary hita niafina tao an-tranony. Nosamborina ary natao andrimaso teny anivon’ny biraon’ny zana-tobim-paritra Antanety II Vontovorona. Tsy nitory moa ny havan’ny maty, raha ny tatitra voaray. Hiverina ho henoina eny anivon’ny fitsarana, amin’ny alatsinainy izao, avokoa ireo vavolombelona rehetra tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga.
Mino




