Renim-pianakaviana iray no maty voatifitra teo amin’ny tendany tamin’ny alarobia alina, tao Toamasina. Efa misy ny hirika nanombohan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana hamantarana izay tompon’antoka.
Matin’ny bala tokana, notifirin’ny olon-dratsy teo amin’ny tendany, i Brucia Sizaza, renim-pianakaviana iray monina ao Toamasina. Tao anatin’ny fiara nentiny no nitrangan’ity vono olona hafahafa ity. Tsy lavitra ny tobin’ny Tafika Barikadimy tao Tsararivotra izany. Avy nanatitra ny namana mpiara-miasa aminy izy ny alin’ny alarobia, izao nisy namono izao, araka ny angom-baovao.
Samy manana ny filazany ny mponina manodidina momba ilay tranga. Tsy nisy na inona na inona very teny amin’ i Brucia nandritra izany. Nisy nanova ny sary famantarana tamin’ny finday teny aminy taorian’ny voina. Tsy hita soritra ny nandosiran’ny nahavanon-doza taorian’ny asa ratsy.
Etsy ankilany, nivory maika, ny alakamisy maraina, avy hatrany ny OMC tao amin’ny efitrano filankevitra, faritra Atsinanana. Nifanakalo hevitra sy nanao dinika manokana hikarohana ny loharanom-baovao momba io vono olona io. Hatreto, nambaran’ny tomponandraikitry ny fihaonana fa misy ny “indice” hahafahana manokatra fanadihadiana amin’izay mety ho tompon’antoka nahatonga ny fitifirana sy nahafaty an’io renim-pianakavina io.
Raha ny fantatra dia hampiditra fangatahana fisaraham-panambadiana amin’ny vady mariaziny izy. Efa nisy didim-pitsarana savaranonando nivoaka ny hisarahan’izy roa fa tsy nanaiky izany ilay rangahy vadiny. Nanao fanohanana ity farany izay lazain’ny loharanom-baovao fa saro-piaro be tamin’ilay ramatoa lasibatra. Tokony hotanterahina amin’ny volana septambra izao io tohin’ny fitsarana io. Andrasana ny voka-panadihadiana.
Sajo




