Fanimbana fananana iombonana: Mpangalatra jiro tratra tetsy Anosy

Nentina eny anivon’ny kao­misaria Central Tsaralalà­na ny lehilahy mpanimba fa­na­nana iombonana tratra te­tsy Anosy, omaly maraina ta­min’ny 3 ora sy 45 minitra. Mi­andry maizimaizina sy tsy misy mpandalo, nasesin’io tsy valahara io nalaina ny jiro mandeha amin’ny herin’ny ma­soan­dro manazava ny lalana ma­no­didina ny farihin’Ano­sy. Mi­hanika ny andrin-jiro izy ary alainy eny ambony eny io fi­taovana anisan’ny manome endrika sady mariky ny fandrosoan’ny tanàna io. Nanda­lo tampoka ny polisy monisipaly mpanao fisafoana alina. Tratra teo am-pitaterana ireo jiro efa nalainy io lehilahy io. Nokasainy hamidy ireo jiro avy nangalariny ireo. Nentina avy hatrany eny amin’ny biraon’ny polisy natao famotorana io le­hilahy io ary hatolotra ny fampanaovana aorian’izay. Nave­rina amin’ny tomponandraikitra ireo jiro miisa dimy nangalariny. Marihina, misy hatrany ny ezaka ataon’ny tomponandraikitry ny Kaomi­nina Anta­na­na­rivo Renivohitra amin’ny fanatsarana ny endriky ny ta­nàna sy ho fampandrosoana, saingy simbain’ireo karazan’olona tahak’ity tratra nangalatra ity.

Tsiferana R.

Partager sur: