67 Ha Avaratra Atsinanana: Lehilahy iray hita faty namono tena

Namono tena tao amin’ny efitranony ny lehilahy iray 34 taona, tetsy 67 Ha Avaratra Atsinanana, afakomaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Namoha sy nijery azy io tao amin’ny efitranony ny fianakaviany rehefa tsy nahita azy tao anatin’ny ora maro. Gaga sy taitra izy ireo, fa efa vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony no hita tao. Nahitana antsy ihany koa teo akaikiny. Tonga teny ifotony, nijery ny zava-misy ny ekipan’ny polisim-pirenena, rehefa nahazo antso avy
amin’ny sefo fokontany. Nandritra ny fisavana natao, vatan-dehilahy iray efa tsy nisy aina intsony no hita nivalampatra teo ambony fandriana tao amin’ny efitranony. Nahitana ratra vokatry ny tsindron’antsy nataony, teo amin’ny tratrany, nandritra ny fizahana ny razana. Raha ny fantatra, namono tena noho ny fanamavoana sy esoeson-teny nataon’ny manodi­dina azy io lehilahy io. Nahitana taratasy namela izany hafatra izany rahateo teo akaikiny, tamin’ny fotoana nahitana ny razana.

Mino

Partager sur: