Mpanao gazety voatafika: Voaroba avokoa ny fitaovam-piasany

Tokantranon’ny mpanao gazety iray monina sy mipetraka ao Tanamakoa, Toama­sina, lasibatry jiolahy ny alin’ ny alahady hifoha alatsinainy 18 aogositra, tamin’ny 1 ora sy 30 minitra maraina lasa teo. Tapaka ny herinaratra sady oram-be tamin’io fotoana io. Tsy tao an-tokantrano, mbola tany ambanivohitra nanao fi­karoham-baovao io mpanao gazety io. Efa-dahy niditra an-keriny tao anatin’ny trano raha toa ka niandry ivelany ny roa namany. Norahonan’ireo jio­lahy ny olona tao an-trano. Nitaky vola miampy ny finday rehetra nampiasain’ireo tra­trany tao an-trano ny mpandroba. Nalain’ireo jiolahy koa ny fitaovana raitra fikirakirana sary sy feo an’ilay mpanao ga­zety manokana. Nikasa ha­nangana fahitalavitra ho azy manokana rahateo io mpanao gazety io. Tetsy ankilany, ni­kasa hanolana ny vadin’io ni­haran’ny fandrobana io ireo jio­lahy. Marihina, nisy andian-
jiolahy nikasa hanafika koa ny tranon’ny tomponandraikitra am­bony iray ao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Nana­poaka basy ireo Tafika roa lahy mpiambina ka nanao tari-dositra ireo mpanao ratsy. Miantso ny tomponandraikitry ny filaminana hanamafy ny ady amin’ ny asan-jiolahy ao Toa­masina ny fokonolona satria miaina anatin’ny tebiteby tanteraka ny ankamaroan’izy ireo amin’ izao fotoana.

Sajo

Partager sur: