Manodidina ny 2 000 mahery ireo olona midoroka zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona eto Madagasikara, izay raisin’ny fikambanana an-tanana, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny ONG Ainga Aides.
Taorian’ny fitiliana natao tamin’ireo marary, 163 no fantatra fa mitondra ny tsimokaretina hépatite C, raha ny tatitra voaray. Izay manodidina ny 30% eo ho eo ny tahan’isa. Manodidina ny 4% kosa ireo olona mitondra ny tsimokaretina hépatite B. Ny tsimokaretina VIH Sida foana no heverina fa loza amin’ny alalan’ny tsindrona. Misy koa ny aretina hépatite izay tena zava-doza kokoa ho an’ny marary, raha ny fanazavana hatrany.
Fomba iray mora iparitahan’ny tsimokaretina eo amin’ny olona ny fitsindromana zava-mahadomelina. Anisan’izany ny tsimokaretina VIH/ Sida sy ny hépatite, izay mifindra amin’ny alalan’ny ra. Mety ho amin’ny famindrana ra mivantana izay atao any amin’ny hopitaly izany, na amin’ny alalan’ny fitsindromana amin’ny fampiasana fitaovana maloto. Mifindra amin’ny alalan’ireny fitaovana ireny izany raha sanatria nisy olona mitondra io tsimokaretina io avy nampiasa ny fitaovana. Matetika mivondrona sy mampiasa fitaovana iraisana ireo mpitsindrona zava-mahadomelina ireo. Ny fahatsapana izany no antony mahatonga ny fikambanana hizara fitaovam-pitsindromana vaovao.
Manan-jo hotsaboina ireo mpidoroka
Fanagadrana foana ny miandry ireo olona mpidoroka na mpitsindrona zava-mahadomelina, raha ny zava-misy eto amin’ny Nosy. “Tsy voatery fonja sy fanasaziana hatrany no omena fa mila fandraisana an-tanana koa ireo olona miankindoha amin’ny zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona”, hoy Ravelohanta Manana Harisoa, mpitsabo.
Misy olana goavana eo amin’ny lafiny fahasalamana ireo olona mitsindrona. “Hiaraha-mahalala, fa aretina ny fiankinandoha amin’ny fidorohana zava-mahadomelina”, hoy ihany izy. Manoloana ny maha aretina azy izany, mandray andraikitra manoloana izany ny ONG Ainga Aides. Anjara andraikitra tena ataon’izy ireo ny fampihenana ny fifindran’ny aretina azo avy amin’ny tsindrona ataon’ireo mpidoroka zava-mahadomelina. Manampy izany koa ny fizarana fitaovam-pitsindromana vaovao. Miditra amin’ny fanentanana azy ireo hiala tsikelikely amin’ny fiankinan-doha avy eo.
Tsy vahaolana ny fanagadrana
« Tsy vahaolana ny fanagadrana ireo olona tratra midoroka zava-mahadomelina satria lasa miverina manao izany indray izy ireo rehefa tafavoaka ny fonja”, hoy kosa ny Dr Razanajatovo Edmond, filohan’ny fikambanana ONG Ainga Aides. Maro ny olana sedrain’ireo marary sy miankindoha ireo. “Raha mandray an-tanana sy manampy ireo olona midoroka zava-mahadomelina ny fikambanana, tsy midika ho manome vahana azy ireo hirona ao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina izany”, hoy hatrany izy. Fitarihana azy ireo hisitraka ny zo tokony hananany izany, raha ny fanazavana hatrany. Mifandray amin’ny zo hisitraka fitsaboana ihany koa.

Namoaka bokikely ny ONG
Tamin’ity taona 2025 ity, namoaka bokikely ny fikambanana. Mitantara fiainan’olona niaina tao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny votoatiny. Telo mianadahy izy ireo no nijoro vavolombelona tamin’izany. Mbola velona ny ankizivavikely iray raha toa ka efa maty kosa ny roa hafa. Voatifitry ny mpitandro filaminana teo amin’ny tongony ny iray ary namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy. Matin’ny aretina hépatite izay nahazo azy vokatry ny fitsindromana zava-mahadomelina nataony kosa ny iray hafa. Efa afaka tamin’ny fidorohana zava-mahadomelina izy ary manampy ny namany rehetra mahakasika ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Anisan’ny fiarahamonim-pirenena miady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH Sida ny fikambanana.
Iaraha-misalahy ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena mba handinika indray ny politikan’ny zava-mahadomelina, hampitodika azy ireo amin’ny fomba fiasa mifototra amin’ny fahasalamam-bahoaka, ny zon’olombelona ary ny rariny ara-tsosialy ny fikambanana. Mila miara-miasa ny olom-pirenena tsirairay sy ny tomponandraikitra rehetra hahafahana miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Tsy mampirisika ireo tanora hidoroka sy hitsindrona zava-mahadomelina ny ONG fa manampy azy ireo hiala. Amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana ary fanomezana torohevitra isan-karazany no hanatanterahany izany. Rehefa enjehina ireo olona ireo dia lasa miafina ary lasa sakana lehibe amin’ny fitsaboan-tena izany. Tsy afaka misitraka ny zo feno amin’ny maha olona azy ireny olona ireny rehefa miseho izany, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nanatontosa : Mino




