Voasambotry ny polisim-pirenena Ilanivato (PPA3), tetsy Andavamamba Ambilanibe, omaly, ireo roa lahy nangalatra sy nanodinkodina solika. Nisy olona tsara sitrapo nampilaza ny mpitandro filaminana fa misy olona mangalatra sy manafina solika eny an-toerana. Nidina ifotony avy hatrany ny ekipa mpanao fisafoana eo anivon’ny polisy taorian’ny antso. Tratra nisintona solika tao amin’ny « camionette » kely iray tetsy akaikin’ny kaoperativa iray Andavamamba ny mpamily sy ny lehilahy iray hafa. Efa nisy fantsona nisintomana sy zerikanina hanasiana solika teo aminy. Nilaza moa ny mpamilin’io fiara io fa nangalatra izy ireo ary mivarotra izany amin’ny vidiny mora, rehefa nohadihadian’ny polisy. Manatanteraka ny baiko avy amin’ny lehibeny kosa ilay olona nisintona ny solika ka antony nanaovany izany.
Nafenina tanaty trano ireo zerikanina feno solika
Nosavaina avokoa ny toerana rehetra teny amin’ny manodidina. Mbola nahitana fiara iray, feno zerikanina tsy nisy na inona na inona tao anatiny. Trano iray no fantatra fa natokana hanafenana ireo solika avy nangalarina rehetra ireo. Hita tao anatiny ny zerikanina maromaro efa foana sy ny iray nisy solika manodidina ny 15 litatra teo ho eo. Nosamborina sy nentina eny amin’ny biraon’ny polisy ireo lehilahy roa voakasika ireo nanokafana fanadihadiana. Nogiazana vonjimaika ihany koa ny zerikanina miisa roa feno solika. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Mino




