Natsipin’olona nampiahiahy avy hatrany ny rongony tamin’ ny gony nentiny rehefa nahatazana mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitra Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny, ny 17 aogositra teo, izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa misy olona mitatitra rongony mihaodihaody ao an-tanàna. Mpamatsy rongony ao amin’ny tanànan’Ambatoboeny rahateo ireo olona ireo. Nitatitra gony nisy rongony efa tsara fatotra izy ireo. Nidina ifotony ny zandary ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 17 aogositra teo. Nigadona tamin’ny toerana voalaza hitondran’ireo mpanao ratsy ny entana ny zandary. Nanao tari-dositra avy hatrany ireo mpitatitra rongony. Narian’ izy ireo an-dalana ny gony miisa roa. Natao ny fanamarinana ka rongony avokoa ireo nokasaina hotanterina ireo. Manimba ny fiainan’ny tanora amin’izao fotoana, indrindra mampirongatra ny tsy fandriampahalemana, ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina an-dRenivohitra, hatrany ambanivohitra.
Tsiferana R.




