Avotra teo am-pelatanan’ny mpaka an-keriny ny ankizivavy, dimy taona. Nangataka vola mitentina 150 tapitrisa Ar ireo olon-dratsy. Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohimandroso ireto farany.
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha mahakasika ny fakana an-keriny ankizivavy kely 5 taona tany Ambohimandroso Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro, ny herinandro lasa teo. Naiditra am-ponja vonjimaika ireo olona efatra, tompon’antoka tamin’io tranga io. Nahitana lehilahy roa sy vehivavy roa hafa izany. Fantatra fa anisan’ny atidoha nikotrika ny fakana an-keriny izy ireo. Natao eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny vehivavy iray hafa. Mbola mitohy ny fikarohana ny naman’ireto mpaka an-keriny ireto.
Raha tsiahivina, nalain’ny jiolahy an-keriny ny ankizivavy kely 5 taona tany Ambohimandroso Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro, ny 13 aogositra 2025 hariva lasa teo. Nitaky vola mitentina 150 tapitrisa Ariary tamin‘ny renin’io ankizy io ireo olon-dratsy. Taorian’ny fifanarahana, tapaka fa 50 tapitrisa Ariary no omena. Ny ampitson’ny fakana an-keriny 14 aogositra 2025 ny fotoana hanomezana sy hakana ny vola. Efa nampandre ny mpitandro filaminana ny fianakaviana ary efa nisy ny vela-pandrika nataon’izy ireo. Vokany, voasambotra tamin’io fotoana io ny olona dimy. Tafaverina tamin’ny fianakaviana kosa ilay ankizivavy nalaina an-keriny. Noentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo taorian’izay.
Mino




