Lasan’ny olon-dratsy ny moto 4T an’ny raim-pianakaviana iray teny Imerinafovoany, kaominina Talatamaty, ny alin’ny alarobia 20 aogositra teo, tamin’ny 12 ora alina. Nandeha irery tamin’ny moto io lehilahy io. Nisy olon-dratsy tampoka nitoraka azy tamin’ny alalan’ny tapa-biriky. Miisa dimy ireo jiolahy io ka nifandrombaka nidaroka an’io mpitondra moto io. Nosavainy ny paosin’ilay niharan’ny fandrobana. Nalainy ny finday niampy ny zava-tsarobidy teny amin’ity farany. Tsy vitan’io, nentin’ireo tsy mataho-tody koa, ny moto scooter 4T iray. Naratra mafy vokatry ny vono sy daroka nahazo azy ilay raim-pianakaviana. Mpatsaka no nahatsikaritra ilay lehilahy niosin-drà. Nanavotra azy tao anatin’ny haizina. Nitantara ny nahazo azy io lasibatra io. Tsy nisy hita ireo nahavanon-doza. Vaky tanteraka ny oron’io lehilahy vaoroba io. Tsy naharay fitarainana sy tatitra momba io tranga io ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Tetsy ankilany, “misy zandary manao fisafoana alina sy mijanona hatrany eny amin’ny manodidina an’Imerinafovoany”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobi-paritra Talatamaty. Nanamafy ity farany, fa azo ho lazaina milamina mihoatra ireo faritra hafa eto an-dRenivohitra eny an-toerana.
Tsiferana R.




