Nisy nanindrona antsy : Vehivavy iray hita faty tetsy Ankadimbahoaka

Renim-pianakaviana iray, 36 taona, hita faty tetsy amin’ny Lalamby manakaiky ny fiantsonan’ny taxi-be Anka­dimbahoaka, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana teo am-panatanterahana ny asany izy.

Niboridana ny razana ary nahitana tsindrona an­tsy maromaro tamin’ny vatany, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Voatsindrona ny teo amin’ny tendany, ny tra­trany ary ny lamosiny. Hita teo amin’ny 5 metatra miala ny vatana mangatsiakany ny kira­rony sy ny antsy feno ra na­mo­noana azy. Olona mpandalo no nahita ny faty nivalampatra ka nampandre ny polisy miasa eny amin’ny manodidina. Raha ny fantatra, mananotena ary mamelona zanaka telo mia­nadahy io hita faty io. Io asa alina io no hamelomany ny ankohonany, raha ny fanazavana nataon’ny za­nany lahy. Miala ny trano fone­nany eny Anosimahavelona, amin’ny 6 ora hariva ka mandeha manao ny asany eny amin’ ny manodidina ny La­lamby Ankadimba­hoaka izy. Mive­rina mody kosa izy any amin’ny 9 ora alina any ho any.

Tsenain’ny zanany lahy foana isaky ny alina
Efa an-taona maro io vehivavy io no nanao io asa io. Isaky ny alina, mitsena ny reniny eny amin’ny Lalamby Ankadimba­hoaka foana ny zanany lahy. “Afakomaly, nitsena azy teny aho tamin’ny 8 ora sy sasany alina, tsy nahita azy aho fa naheno ny feony niantso ny anarako”, hoy Is­saya, 16 taona, zanany lahy. “Niandriandry azy teny ihany aho fa nandeha nody tamin’ny 10 ora alina rehefa tsy nahita azy”, hoy ihany izy. Hataraina anefa ny maraina rehefa na­heno tamin’ny mpiara-monina fa hita faty etsy Ankadimba­hoaka ny re­niko. Olona tsotra, tsy tia mifamaly aman’olona, ary tsy nifoka sigara sy tsy mi­sotro toaka izy. Tsy fantatra ny tompon’antoka tamin’izao vono olona feno ha­­bibiana izao. Tsy hay koa ny anton’ny famonoana. Mbola hita tany amin’io vehivavy io ny vola azony. Efa na­hitana fatim-behivavy tahaka izao ihany koa teny an-toerana tamin’ny telo volana lasa. Tombanana ho efa afakomaly alina ny nahafatesan’io vehivavy io.

Mino

Partager sur: