Efa-dahy nanafika : Ramatoa voa mafy teo amin’ny lohany

Vaky loha ny renim-pianakaviana niharan’ny asan-jiolahy tao Ambolomadinika 21/14, kaominina Toamasina, afako­maly. Nidiran’ny olon-dratsy miisa efatra tao amin’ny trano fonenan’io ramatoa io. Tsy nisy alaharo, nidaroka sy namono ilay tompon-trano avy hatrany ireo mpanao ratsy. Nangonin’ izy ireo ny fitaovana sy zava-tsarobidy tao amin’io tokantrano lasibatra io. Araka ny loharanom-baovao, nandroba voalo­hany tao amin’ny tokantrano iray mifanila amin’io ramatoa io ireo jiolahy. Nifindra tao amin’ilay renim-pianakaviana indray izy ireo taorian’izay. Voadaroka mafy teo amin’ny faritry ny lohany ity farany. Nentin’ny fianakaviany namonjy toeram-
pitsaboana ka voatery natao “scanner”. Mitaraina noho ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina ny mponina. Mandry tsy lavo loha tanteraka izy ireo satria miseholany ny fanafihan-jiolahy miharo famonoana tato ho ato. Na izany aza, manao ny aina tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana misambotra ireo olon-dratsy. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ izy ireo momba io fanafihana io.

Tsiferana R.

Partager sur: