Voafira zava-maranitra: Karana hita faty tao an-tsenany

Nidiran’ny olon-dratsy tao amin’ny toeram-pivarotana, nofirain’izy ireo antsy teo amin’ ny tendany, ny karana iray ka namoy ny ainy tao Manga, kao­minina Mahajanga, omaly atoandro. Mpamongady iray ao an-toerana nandritra ny taona maro io lasibatra io. Nivoaka nisakafo ny mpiasa tao aminy tamin’ny 12 ora ato­andro. Hita nitsirara tamin’ny tany ny fatin’ilay mpampiasa rehefa niverina hiditra hiasa tamin’ny 2 ora sy sasany ireo mpiasa. Tsy nisy nahita na nahare ny zava-nitranga ireo mpivarotra manodidina, araka ny angom-baovao. Niantso ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana avy hatrany ny fianakavian’ny niharan’ny fandrobana. Nokorontanin’ireo mpanao ratsy ny fitoeram-bola tao amin’io tsena io. Nataon’ ny mpitsabo ny fizahana ny vatana mangatsiakan’ilay ka­rana. Notsindromina zava-maranitra teo amin’ny tendany izy ary mbola nofiraina. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina momba io tranga io ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana tato ho ato. Miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ireo mpanao ratsy ny mponina.

Tsiferana R.

Partager sur: