Nangalatra 2 tapitrisa Ar: Telo lahy voasambotry ny polisy

Notanan’ny polisy ireo telo lahy voasaringotra amin’ny hala-bola mitetina 2 tapitrisa Ar tao Mananara Avaratra, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny toerana iray ny olona miisa roa nampiahiahy. Tsy naharaka na inona na inona ny talen’ny orinasa kanjo nanjavona ny vola 2 tapitrisa Ar, ny 21 aogositra. Nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany ny lasibatra. Natao ny famotorana ka voamarina fa tompon’antoka ireo olona mody nividy zava-pisotro. Niray tendro tamin’ny mpahandro sakafo tao amin’io toerana io izy ireo ka nanao mora ny fanatanterahana ny asa ratsy. Nividy zavatra tamin’ny toeram-pisotroana iray tao Andraokaraoka ireo mpanao ratsy. Tsikaritry ny polisy ny fihetsik’izy roa lahy ka natao ny fisavana. Tratra tao anaty kitapo ny vola 2 tapitrisa Ar. Nentina natao famotorana izy roa lahy ary vosaringotra koa, ilay mpahandro sakafo niray tendro. Naverina amin’ny tompiny ny vola. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: