Novelesin’ny jiolahy tamin’ny “bois rond” misy fantsika tany Mangarivotra, omaly, ny mpivady. Namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy i Crino Pierre, raim-pinakaviana 45 taona. Raha toa ka mbola manaraka fitsaboana kosa ny vadiny. Avy niandry faty tany Akirihiry ary hamonjy fodiana any an-tranony izy mivady ireo ny alin’ny zoma hifoha sabotsy tokony tamin’ny 3 ora maraina teo. Nandray posy andeha ho any Mangarivotra ary nandalo teo amin’ny lalam-baovao misy fiholahana. Nosakanan’ny jiolahy roa lahy ny posy ary nasaina nidina
izy mivady. Lasan’ny jiolahy ny poketra sy ny vola ary ny findain’ireto lasibatra. Mbola novelesina tamin’ny hazo misy fantsika ny lohan’ireo mpivady. Naratra mafy ary noentina tany amin’ny hopitaly be izy ireo taorian’izay. Tsy tana ny ain’ilay raim-pianakaviana vokatry ny ratra mafy nahazo azy.
Voasambotra ny olon-dratsy
Nanomboka ny fanadihadiana sy ny fikarohana avy hatrany ny polisy miasa any an-toerana taorian’ny tranga. Voasambotra omaly tamin’ny 3 ora maraina ireo roa lahy nahavanon-doza. Tratra tao amin’ny trano fisotroana toaka tsy lavitry ny toerana nanaovany ny asa ratsiny izy. Mbola hita tany amin’izy ireo ny poketra, finday ary ny famataran’oran’izy mivady lasibatra. Amin’ny akapobeny, tsy voahaja ny fepetra tokony hikatonan’ny trano fisotroana amin’ ny 10 ora alina any an-toerana. Anisan’ny antoka iray mampirongatra ny asa ratsy izany.
Sajo




