Zaridaina madinika : Zavakanto manome fahatoniana ara-tsaina

Zaridaina madinika hita amin’ny toerana maro samihafa ny “Jardin miniature”. Zavakanto mam­­pifandray ny natiora sy ny fahaiza-mamorona izy io. Misy ny natao ao anaty siny, anaty vata, na amin’ny toerana kely ao an-trano na eny an-tokotany.

Mitondra tombotsoa maro ho an’ny olon-drehetra ny fahitana sy ny famoronana azy ireny. Be mpisafidy sy be mpanjifa ity zavakanto ity. Satria, mampitony ny saina sy manome karazana toerana loko isan-karazany. Maro ny olona mampiseho ny zavakanto amin’ny alalan’ny fanaovana asa tanana. Betsaka ny misehatra amin’izany. Mihabe­tsaka ihany koa ny olon-tsotra manjifa sy mpankafy ireny vokatra samihafa ireny. Zava-kanto iray mahaliana ny ankamaraon’ny olona ny “jardin miniature”. Singa iray manentana ny fahatoniana eo amin’ny fiasan-tsaina ny loharano zaridaina. Indrindra ny fahitana ny toerana sy ny firafitry ny loharano amin’ny endriny maro samihafa. Ankoatra izay, manampy ny olona hanadino ny tabataba vokatry ny fifamoivoizana sy ny kotaba rehetra misy ny fisian’ny loharano zaridaina. Etsy ankilany, natao haingon-trano, miseho amin’ny endrika maro samihafa ihany koa izy io. Toy ny miendrika sary sokitra, rano amin’ny endriny samihafa, zavamaniry natao ho haingo manodidina ilay loharano.

Tsy mifidy toerana hametrahana azy
Azo apetraka amin’ny toerana rehetra na dia eo an-davarangana aza. “Manome endrika mahafinaritra ny ao an-tokantrano ny fisian’ireny karazana zaridaina kely ireny”, hoy ny olona nanontaniana. “Mandamin-tsaina, mamelombelona ary mampitony ny fahitana azy”, hoy i Norinne, mpanjifa ny “jardin miniature”, monina eto Anta­nanarivo. “Manana karazana zaridaina kely roa samy hafa aho ao an-trano, ny iray ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ary ny iray ao amin’ny efitranoko”, hoy ihany izy. Nilaza izy fa singa iray atao fialamboly ny fahitana azy ireny. Ny feon’ny rano mikoriana ao amin’ilay zaridaina kely dia manala havizanana sy ny adin-tsaina mahazo ary lasa fialantsasatra. Mijery azy io foana isaky ny avy miasa sy alohan’ny andeha hiasa, mba hanome fifaliana mandritra ny tontolo andro.

Mampiseho toerana lavitry ny maso
Misafidy ny hametraka sy hanamboatra karazana zaridaina kely ny ankamaroan’ny olona, raha ny fanadihadiana natao. “Manonofy mahita dobo kely na lehibe misy riandrano, loharano, tanàna maro samihafa any amin’ireo toeram-pialantsasatra eto amin’ny Nosy, rehefa mahita ny “jardin miniature”, hoy hatrany ireo mpankafy ny vokatra.
Loharanon-drano ho singa ara-javakanto an-tanàn-dehibe na ambanivohitra ny zaridaina loharano. Hita eny an-tokotany, zaridaina, kianja na amin’ny toerana tsy manam-paharoa ao amin’ny tanàna iray izy ireny amin’ny ankapobeny.

Avy amin’ny aingam-panahy

Niainga tamin’ny aingam-panahy sy avy amin’ny fisainana Zen, ny namoronana ny zaridaina madinika, raha ara-tantara. Tanjona ny hanasongadina sy hampisehoana ny maha zava-dehibe ny toerana iray. Zavakanto tena ilaina ny fananana “jardin miniature” any an-trano, raha ho an’ny japoney. Nohajain’izy ireo fatratra izy ireny satria anisan’ny zaridaina iray nanana ny lazany sy maro mpahafantatra tany amin’ny firenena tandrefana. Fantatra tamin’ny anarana hoe : “jardin Zen” na “Karensansui” izany. Ankoatra ny maha haingon-trano azy, fomba iray hanehoana ny fanaovana “meditation”, mifandray amin’ny bouddhisme ihany koa izany. Nandraisana ny “moines” voalohany tamin’ny fotoam-pitsapana lavareny ny fanaovana io zaridaina loharano io tamin’izany andro izany. Nitombo ny fankafizan’ny olona izany asa tanana izany, ka niitatra sy malaza hatramin’izao vanim-potoana izao.
Ny japonais sy ny sinoa no olona nampiasa io zaridaina madinika io tamin’ny taon-jato fahafito. Niendrika zavamaniry kely voakolokolo izany tany am-piadohana. Natao hampifanarahana ny endriky ny hazo lehibe ao anaty toerana kely iray. Nisy ihany koa ny natao naka endrika zavamaniry nasiana vato mba ho endrika ara-boajanahary.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: