Lalam-baovao Tsarasaotra: Mpitondra moto tra-doza

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny alin’ny alahady 24 aogositra teo, tamin’ny 7 ora. Mpitondra moto scooter marika Kymco avy amin’ny lalana Tsarasaotra nikasa hihazo an’Ivato no nidona tamin’ny fiara Starex iray teo alohany. Potika tanteraka ny moto nentin’ilay lehilahy tra-doza. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy ity farany. Nahatsiaro tena izy ary nalain’ny fianakaviany taorian’ny loza nihatra taminy. Tetsy ankilany, simba ny vodin’ilay fiara niharan-doza. Vaky avokoa ny fitaratra tamin’io faritra voalaza io. Araka ny fitantaran’ny mpamily, nikasa hijanona tamin’ny sisin-dalana izy ka somary efa nandeha moramora. Nandeha mafy anefa ilay moto tao aoriana ka nidona, raha ny loharanom-baovao. Ilaina ny fitandreman’ny tsirairay, indrindra ireo mpamily sy mpitondra moto. Matetika mitranga ny loza noho ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny iray amin’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: