Fanafihana tetsy Ambohitrimanjaka: Raim-pianakaviana iray maty voavely tamin’ny vatan-kazo

Notafihan’ny jiolahy ny tokantrano iray tetsy amin’ny fokontany Antsahafohy, kaominina Ambanivohitra Ambohitrimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata tamin’ny 11 ora teo. Namoy ny ainy vokatry ny vely vatan-kazo nataon’ireo olon-dratsy, ny raim-pianakaviana iray 46 taona, tompon-trano.

Nivoa-dra ny vavany, ny sofiny, ny orony, mangana ihany koa ny tendan’ilay rangahy. Nahitana kiaka ihany koa ny tanany roa. Naratra teo amin’ny tongony sy ao amin’ny tratrany kosa ramatoa vadiny. Novahana sy nongotan’ireo jiolahy ny varavaram-by ary niditra tao an-trano izy ireo. Vantany vao tafiditra, nafatotr’ireo olon-dratsy tamin’ny tady ilay ramatoa. Rehefa izay, notifirin’ireo jiolahy tamin’ny ranon-javatra izy ary tsy nahatsiaro tena. Nitaky ny vola rehetra sy nanontany ny toerana misy ny vola tamin’ilay raim-pianakaviana ireo jiolahy nandritra izany. Nandrahona ny hitifitra io rangahy io moa ireo jiolahy, raha toa ka miantso vonjy sy manao fihetsika mahery eo, talohan’ny nahatorana ilay ramatoa.
Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany, ny vola mitentina 1 500 000 Ariary sy ny finday iray, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny havan’ny maty. Mbola nalain’izy ireo koa ny solosaina iray sy ny kiraro ary ny ilan’ny varavaram-by. Narian’izy ireo teny an-dalana tsy lavitry ny trano anefa ireto fitaovana sasany ireo satria hitan’ny fianakaviana teny.

Tamin’ny 1 ora maraina vao fantatra ny tranga

Tamin’ny 1 ora maraina vao nahatsiaro tena ny vadin’ny maty. Akanjo ambony sy silipo sisa no teny an-kodiny. Nidina nanaitra ny anadahiny tany amin’ny trano mifanila aminy izy avy eo. Nitantara ny zava-nanjo azy sy nahafaty ny vadiny tamin’ny mpiray tampo taminy. Nentina teny amin’ny hopitaly moa ilay rangahy fa efa tsy tana intsony ny ainy. “Tamin’ny 11 ora alina tany ho any, nandeha nankany amin’ny toeram-pivoahana aho. Afaka 15 minitra teo, naheno zavatra nidoboka mafy be tany ivelan’ny trano ny vadiko, ary tamin’ny 1 ora maraina izahay vao nahafantatra fa nisy nanafika”, hoy ny zaodahin’ny maty. Efa tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Ambohitri­manjaka taorian’ny antso. Efa tsy tratra tao intsony moa ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary teny an-toerana.

Mino

Partager sur: