Manamboninahitra eo anivon’ny zandarimaria miisa roa sy tafika iray niara-namoy ny ainy taorian’ny loza nahazo azy ireo nandritra ny filatsahana an’elonaina tao Arivonimamo, omaly. Manaraka fitsaboana ireo namany.
Kaomandà Zafidahy avy eo anivon’ny “Groupement des forces spécialisées d’intervention (GFSI)”, ny lietnà Njakarababany Jeodard, avy eo anivon’ny “Centre de formation spécialisée” an’ny zandarimaria, ary lietnà Ramiandrisoa Ricassi, avy ao amin’ny EscaPara niara-maty vokatry ny loza tampoka nitranga tamin’ny fakana Brevet amin’ny filatsahana an’elonaina tao Arivonimamo, omaly. Niaraka nanao fanazaran-tena tamin’ny miaramila namany ireo tra-doza ireo. Nilatsaka voalohany teny ana habakabaka ny lietnà Jeodard. Namelatra avy hatrany ny elonaina izy. Nanaraka azy tao aoriana ireo namany. Ratsy ny toetr’andro, nandrivotra mafy. Nananosarotra ny fidinan’ireo nikasa hipetraka an-tanety. Vokany, ratsy fianjera ny ankamaroan’ireo miaramila ireo. Voa mafy ka niafara tamin’ny famoizana aina ny an’ilay kaomandà sy lietnà roa. Nivoaka avy amin’ny andiany faha-34 Acmil ilay kaomandà raha toa ka avy amin’ny andiany faha-41 Acmil ireo Lietnà roa.
Manaraka fitsaboana
Ankoatra ireo, nifamonjena nentina angindimby manokana hihazo ny hopitaly CenHoSoa ireo tena voa mafy. Miisa valo ireo naratra ka nisy tamin’izy ireo mbola tsy nahatsiaro tena taorian’ny voina. Nisy tamin’ireo naratra tapa-tongotra. Naneho ny fiombonany alahelo amin’ny fianakavian’ny lasibatra manoloana izao tranga izao, ny minisitry ny Foloalindahy sy ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika. Marihina, filatsahana an’elonaina teo amin’ny “Parachutage de 4eme saut” niarahana tamin’ny Tafika frantsay ity notontosain’ireo miaramila tra-doza tao Arivonimamo, omaly, ity.
Tsiferana R.




