Tokantrano 26 may kilan’ny afo tetsy Anosibe Mandrangobato I, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. 12 ireo tranohazo ary fito ny tranobiriky lasibatry ny afo. Mahatratra 90 ireo olona niharam-boina. Niainga tao amin’ny tranohazo iray ny afo. “Nandeha nivoaka tany ivelan’ny trano avokoa ny olon-drehetra tamin’ny fotoana nandresen’ny ekipa Barea afakomaly alina, efa afo miredaredabe anefa no hita avy any”, hoy ireo niharam-boina. Tonga teny an-toerana nifehy ny afo ny vondrona mpamonjy voina tamin’ny 8 ora sy fahatelony. Tsy nisy azo raisina intsony ny entana rehetra hatramin’ny antontan-taratasy manan-danja rehetra. Mahatratra aman’apitrisany maro ny fitambaran’ny entana sy ny fananana lasa lavenona tamin’io tranga io, rah any tatitra azo tenny an-toerana. Efa nanome tolotra azy ireo ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, toy ny teo anivon’ny fiangonana katolika. “Miantso ny fanjakana mba hijery ireo niharam-boina rehetra manoloana izao voina izao”, hoy Rakotonindriana Jean Théophile, anisan’ny olona rava fananana. Tokony hitadiavana vahaolana ihany koa ny mahakasika ny tranohazo satria mampidi-doza izy ireny. Ankoatra izay, nahitana haintrano ihany koa teny Behoririka, afakomaly tamin’ny 10 ora alina. Court-circuit ny antony nahatonga ny afo, raha ny tatitra voaray. Efa voafehin’ny tompon-trano ny afo tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy sy ny vondrona mpamonjy voina teny an-toerana. Mbola nisy firehetana koa tetsy Fenomanana Mahazoarivo, io alina io ihany, tamin’ny 7 ora. May kilan’ny afo ny entana tao an-dakozia sy ny fitaovana hafa.
Mino




