Ankadifotsy : Lehilahy iray tratra namaky trano

Lehilahy iray tratra teo am-pamakiana tranon’olona tetsy Ankadifotsy Antanifotsy, afakomaly tamin’ny 08 ora maraina. Nosokafan’io olon-dratsy io ny vavahadin’ny tokantrano iray ary niditra an-keriny tao anatiny izy. Nahita izany ny mponina teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony avy hatrany ny ekipan’ny polisy nanao fisafoana taorian’ny antso. Voamarina sy tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny io lehilahy io. Vaky nandositra moa io lehilahy io vantany vao nahita ireo polisy. Nasaina nijanona izy nefa lasa nitsoaka tany anelakelan-trano. Natao ny fanarahan-dia ka tratra tsy lavitra ny toerana nanaovany ny asa ratsy izy. Hita tany aminy ireo fitaovana rehetra fampiasany entiny manao ny asa ratsy, nandritra ny fisavana natao taminy. Ankoatra izay, lehilahy iray hafa koa tratra nangalatra tariby tetsy Ampamantanana, distrikan’Antananarivo II, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Efa nalefa eny amin’ny biraon’ny polisy moa ireo voasambotra ireo mba hanokafana fanadihadiana.
Atolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana.

Mino

Partager sur: