Fanafihana ao amin’ny disitrikan’Avaradrano : Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny jiolahy miisa enina

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny jiolahy enina rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, omaly. Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny vehivavy iray hafa, niray tsikombakomba tamin’izy ireo.

Misesisesy ny fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny disitrikan’Ava­radrano tato ho ato. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny an-toerana ireto andian-jiolahy nalefa eny am-ponja ireto. Nanafika tokantrano iray teny amin’ny distrikan’Avaradrano ireo andian-jiolahy miisa dimy, ny 25 aogositra 2025 lasa teo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina 17 tapitrisa Ariary, peratra volamena roa ary kojakojan’entana maro. Tonga nitory teny amin’ny biraon’ny polisy moa ny niharam-boina taorian’ny tranga. Tsy niandry ela fa niara-nisalahy nanao ny fikarohana avy hatrany ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano sy ny «Bri­gade Criminelle» Anosy, sa­kelika fahefatra. Taorian’izay, voasambotra tetsy Besarety ny roa tamin’ireo dimy nanafika. Mbola hita tao an-tranon’
izy ireo ny ampahan’entana nangalariny. Antony nisamborana azy ireo ny fanaovana halatra mitam-piadiana sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy.

Tokantrano maro no lasibatra
Tsiahivina fa anisan’ny nanafika tokantrano tetsy Ankadivory Ilafy, ny alin’ny 25 aogositra lasa teo koa ireto olon-dratsy ireto. Tsy nahazo na inona na inona moa izy ireo na dia tafiditra sy nandratra olona tao aza. Norobain’izy ireo ny ny sac banane nisy vola sy findain’ny lehilahy iray avy any Toamasina. Mbola nanafika trano fivarotana iray teny Soaniadanana Sabotsy Namehana, ny 17 aogositra lasa teo ihany koa ireto olon-dratsy ireto.
Nitohy ny fikarohana ary mahatratra fito ireo olon-dra­tsy voasambotra mahakasika io raharaha io hatramin’izao. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany hafa izay miriaria any.

Mino

Partager sur: