Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny fifamoivoizana tetsy Anosy ny lehilahy iray, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Nanao sinto-mahery mpiandry taxi-be teny an-toerana izy io sy ny manany iray hafa. Lasan’izy ireo tamin’izany ny finday miisa roa an’ny vehivavy iray lasibatry ny asa ratsiny. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy rehefa azony ireo finday.
Nanatona sy nitaraina tamin’ny polisy iray miasa eny amin’ny manodidina an’Anosy ilay vehivavy avy eo. Tsy niandry ela fa nanao ny fikarohana ireo mpanao ratsy ity manam-pahefana iray ity. Voasambotra tsy lavitra teo ny iray tamin’ireo mpisinto-mahery. Raha toa ka tafaporitsaka ny namany iray hafa. Hita tany amin’ity farany moa ireo finday roa vao avy nangalariny, nandritra ny fisavana natao taminy. Naverina tamin’ny tompony izany taorian’ny fanamarinana. Nentina eny amin’ny PPA1 Ampefiloha io olon-dratsy io hanaovana fanadihadiana. Mitohy ny fikarohana ilay namany tafatsoaka sy ireo mbola miriaria manao izany asa ratsy izany. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny hetsika tahaka izao.
Mino




