Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, ny alarobia lasa teo, ny tovolahy 16 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana. Nanolana ankizivavy kely vao enin-taona monja teny amin’ny fokontany Morarano, kaominina Andoharanofotsy, izy. Niharan’ny fanolanana niverimberina tany amin’ny fitombenany io ankizy io. Nanomboka ny 20 aogositra lasa teo no niaina tao anaty herisetra io zaza io. Norahonan’ilay nahavanon-doza ho vonoina izy mandritra izany ka tsy sahy nilaza ny nanjo azy. Rehefa nitohy anefa ny herisetra ara-pananahana nahazo azy, nitaraina tamin’ireo ray aman-dreniny izy ny 24 aogositra lasa teo. Tonga nitoroka teny anivon’ny tobim-paritry ny zandarimaria Andoharanofotsy ireo ray aman-dreniny ny ampitson’io ihany. Natao ny fikarohana nefa tsy hita ny nahavanon-doza. Naterin’ny ray aman-dreniny teny amin’ny biraon’ny zandary izy io ny ampitso.
Monina any Ankadilalampotsy, kaominina Ankaraobato, io tovolahy nahavanon-doza io. Mpandalo eny amin’ny tanànan’ny Morarano izy noho ny fisian’ny havany eny. Miara-milalao amin’ny ankizy eny an-toerana izy ary nipoitra ny hevi-dratsiny rehefa nahita io ankizivavy kely io. Tambatambazany ary nentiny antsokosoko any amin’ny toerana miafina sy takona ilay ankizy avy eo. Any no hampiharany sy hanatanterahany ny asa ratsiny.
Mino




