Miverina am-ponja ny minisitra teo aloha, Rolly Mercia. Tsy nahafaka azy ny fanalefahan-tsazy indroa miantoana. Efa namoahana didy tsy mahazo mivoaka any ivelany rahateo izy
Tapitra tamin’ny 16 janoary teo ny sazin’ny minisitra teo aloha Rahajason Harry Laurent na i Rolly Mercia. Mbola any am-ponja izy hatramin’izao. Tsy ampy nivoahany ny fonja ny fanenan-tsazy indroa miantoana azony. Nanambara ny mpisolovava azy, Me Rafidison Eric, fa nahazo didy tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara izy tamin’ny 11 janoary 2023 lasa teo. Antony, ny fiampangana azy ho nijoro vavolombelona diso tany Paris.
Etsy ankilan’izany, voalaza fa nanao “pourvoi en cassation” ny fampanoavana eto Madagasikara, ny 12 janoary 2023 teo. Izany dia mahakasika ny raharaha, naha voaroahirohy azy sy nampidirana am-ponja azy teto an-toerana. Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Itaosy, nataon’ny mpiaro azy, omaly.
Tsiahivina fa voarohirohy ho naniraka ireo roa lahy nandoro kodiarana teny Ambohipo tamin’ny jolay 2020 izy. Nitondra “banderole” sy nilaza ny hamoahana an’i Berija izy ireo tamin’izany. Nilaza fa voairak’i Rolly Mercia. Izay rahateo ny vesatra nisamborana sy nanenjehana azy. Voasazy higadra an-tranomaizina 44 volana izy tamin’ny oktobra 2020. Milaza ny mpisolovava fa misy ambadika hafahafa ny raharaha.
Mino (mpianatra asa)