Ambohipo : Roa lahy voasambotra

Voasambotry ny polisim-pirenena omaly maraina, teny Ambohipo, ny lehilahy roa mpanao hala-boty. Nifanehitra tamin’ny lehilahy anankiroa izay mirongo entana tamin’ny gony ny polisy. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto roa lahy ka nosavaina. Nahitana entana halatra maro samihafa, toy ny kojakojana an-tokantrano, kiraro sy ny maro hafa, teny amin’izy ireo. Fantatra fa vao avy namaky tranon’olona iray teny an-toerana ireo jiolahy ireo. Efa maro ny tokantrano norobain’ireto olon-dratsy ireto. Angalarin’izy ireo avokoa ny entana izay mipetrapetraka eny rehetra eny.
Ankoatra izay, lehilahy iray, 19 taona, tratra nangalatra karatra fandoavam-bola tetsy amin’ny Fasan-karana, afakomaly. Nahita olona nikirakira vola ity tovolahy ity. Nangalariny ilay karatra izay fantany fa mbola nisy vola 1hetsy ariary tao anatiny. Efa narahin’ny polisy maso anefa ny fihetsika hafahafa nataony ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy. Nosamborina ary nentina eny amin’ny biraon’ny kaomisaria hanaovana fanadihadiana avokoa izy rehetra ireo. Atolotra ny fampanoavana kosa ny raharaha rehefa vita ny famotorona.

Mino

Partager sur: